Manamafy ny fiaraha-mientana amin’ny mponina eny ifotony ny PLAE amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika maro isan-karazany. Ho an’ny Kaominina Miarinavaratra, ao amin’ny faritra Amoron’i Mania dia misy ny Tsenabe Ezaka izay fotoana hifanomezan’ireo rantsa-mangaika miara miasa amin’ny kaominina mampahafanatatra ny sehatrasa ataony.
Mandray anjara amin’izany ny PLAE amin’ny alalan’ny tranohevany sy ny fandraisana anjara mavitrika, hampiseho ny firotsahany amin’ny fanarenana ny ala sy ny tontolo manodidina sy ny fanohanana ny fampivoarana ny fiainan’ny tantsaha.
Haharitra 3 andro ny Tsenabe nanomboka ny 21 ary hifarana ny 22 mai izao.






